Matthew 15

1Avy eo nisy Fariseo sy mpanora-dalana sasatsasany avy any Jerosalema nanatona an’i Jesosy. Hoy izy ireo hoe: 2“Nahoana ireo mpianatrao no mandika ny fomban-drazan’ireo zoky olona? Fa tsy manasa ny tanany izy ireo mialohan’ny hisakafo.” 3Namaly Izy ary niteny tamin’izy ireo hoe: “Koa nahoana ary ianareo no mandika ny lalàn’Andriamanitra nohon’ny fomban-drazanareo?

4Fa Andriamanitra niteny hoe: ‘Hajao ny rainao sy ny reninao’, ary ‘Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny, dia ho faty tokoa.’ 5Fa ianareo miteny hoe: ‘Na iza na iza milaza amin’ny rainy na reniny hoe: “Na inona na inona fanampiana izay azonareo avy amiko dia fanomezana ho an’Andriamanitra ankehitriny,’” 6izany olona izany dia tsy mila manaja ny rainy. Amin’izany fomba izany dia nofoananareo ny tenin’Andriamanitra nohon’ny tombontsoan’ireo fomban-drazanareo.

7Ry mpihatsaravelatsihy! Marina ny faminanian’Isaia momba anareo raha nilaza izy hoe: 8‘Ity vahoaka ity dia manaja ahy amin’ny molotr’izy ireo, fa ny fon’izy ireo dia lavitra ahy. 9Tsy misy dikany ny fiderany ahy, satria izy ireo mampianatra ny didin’olombelona toy ny fampianaran’izy ireo.’”

10Avy eo niantso ny vahoaka ho eo Aminy Izy ary niteny tamin’izy ireo hoe: “Mihainoa ka mahazoa - 11Tsy ny miditra ao ambavan’ny olona no mandoto ny olona. Fa kosa, izay aloaky ny vava, no mandoto ny olona.”

12Avy eo nanatona ireo mpianatra ary niteny tamin’i Jesosy hoe: “Moa va fantatrao fa tohina ireo Fariseo nohon’ny nandre izany teny izany?” 13Jesosy namaly ka niteny hoe: “Ireo zava-maniry izay tsy nambolen’ilay Raiko any an-danitra dia ho fongorina avokoa. 14Avelao izy ireo ho eo, izy ireo dia mpitarika jamba. Raha misy olona jamba iray mitarika jamba iray hafa, dia samy hivarina an-kady izy roa.”

15Petera namaly ka niteny tamin’i Jesosy hoe: “Azavao aminay izany fanoharana izany.” 16Hoy Jesosy hoe: Tsy manam-pahalalana ihany koa ve ianareo?” 17Tsy hitanao va fa izay miditra amin’ny vava dia mankao an-kibo ary avy eo dia havoaka any amin’ny lava-piringy?

18Fa ireo zavatra izay aloaky ny vava dia avy amin’ny fo. Ireo zavatra ireo no mandoto ny olona iray. 19Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, ny vono olona, ny fijangajangana, ny fakam-badin’olona, ny halatra, ny fijoroana vavolombelona tsy marina, ary ny fitenenan-dratsy. 20Ireo zavatra ireo no mandoto ny olona iray. Fa ny mihinana amin’ny tanana tsy misasa dia tsy mandoto ny olona iray.”

21Avy eo Jesosy niala teo ka niverina tany amin’ny faritanin’i Tyro sy Sidona. 22Indro, nisy vehivavy Kananita anankiray avy amin’izany faritra izany. Niantso mafy izy ary niteny hoe: “Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida o! Ny zanako vavy dia ampahorin’ny demonia mafy.” 23Fa Jesosy tsy namaly teny azy. Nanatona ireo mpianany ka niangavy Taminy, nanao hoe: “Roahy izy, fa mitabataba mafy amintsika.”

24Fa Jesosy namaly ary niteny hoe: “Tsy nirahina ho an’iza na iza Aho afa-tsy ho an’ny ondry very ao amin’ny ankohonan’Isiraely.” 25Fa tonga nangataka sy niankohaka teo anatrehany izy, nanao hoe: “Tompo, vonjeo aho.” 26Namaly Izy ka nanao hoe: “Tsy rariny raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ho an’ny amboa.”

27Fa hoy izy hoe: “Eny, Tompo, fa na dia ny amboa aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony.” 28Dia namaly Jesosy ary niteny taminy hoe: “Ravehivavy, lehibe ny finoanao; ho tanteraka aminao anie izany araka izay irinao.” Dia sitrana ny zanany vavy tamin’izany ora izany.

29Niala teo Jesosy ka nankeny akaikin’ny ranomasin’ny Galilia. Avy eo dia niakatra teny an-tendrombohitra iray Izy ka nipetraka teo. 30Vahoaka maro no nanatona Azy. Noentin’izy ireo niaraka tamin’izy ireo ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary marary maro hafa koa. Napetrak’izy ireo teo an-tongotr’i Jesosy ireo; ka dia nositraniny. 31Koa dia talanjona ny vahoaka raha nahita ireo moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny malemy afaka mandeha, ary ny jamba mahiratra. Nankalaza ny Andriamanitr’Israely izy ireo.

32Niantso ireo mpianany mba hanatona Azy Jesosy ary niteny hoe: “Mangoraka ireo vahoaka Aho, satria efa telo andro sahady izy ireo no nipetraka niaraka tamiko nefa tsy manan-ko hanina. Tsy te handefa azy ireo tsy misakafo Aho, fandrao mety ho torana eny an-dalàna eny.” 33Hoy ireo mpianatra Taminy hoe: “Aiza no hahitanay mofo sahaza sy ampy ireo vahoaka maro be ireo aty an’efitra?” 34Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Mofo firy no any aminareo?” Ary hoy izy ireo hoe: “Fito, sy hazandrano madinika vitsy.” 35Avy eo Jesosy nandidy ny vahoaka mba hipetraka amin’ny tany.

36Nandray ny mofo fito mbamin’ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ny mofo ka nanolotra ireo ho an’ireo mpianatra. Ireo mpianatra nanome ho an’ny vahoaka. 37Nihinana ka afa-po ny vahoaka rehetra. Avy eo izy ireo nanangona sobika fito feno sombintsombiny izay tsy lany. 38Ireo izay nihinana dia efatra arivo lahy, tsy ao anatiny ny zaza amam-behivavy. Avy eo Jesosy nampody ny vahoaka ka niondrana an-tsambokely ary dia nankany amin’ny faritr’i Magadana.

39

Copyright information for PltULB